Actualités

Taom-panondranana lavanila 2022 Hizotra ao anatin’ny mangarahara…


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Mitohy ny fijeren'ny Ministeran'ny Varotra akaiky ireo mpamboly sy mpandraharaha ary ireo mpanondrana lavanila malagasy,

 indrindra ireo matihanina eo amin’ny ity sehatra ity. Miombon-kevitra amin’ny Ministera amin’izany ireo mpanondrana hisorohana ny gaboraraka sy ny kolikoly mety hiseho amin’ny endrika samihafa izay maha-sarotiny ireo matihanina amin’ny fanondranana lavanila mba tsy hamotehana ity lalam-pihariana ity. Mamaly an'izay avy hatrany ny fepetra sy ny fomba fiasa napetraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy mba samy hahazo tombotsoa ara-drariny ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra eny amin’ny tsena voara-maso ary ireo mpanondrana. Hiverina eto Madagasikara ny vola vahiny ary ho voara-maso ny fidiran'ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Voafaritra niaraka tamin’ny ireo orinasa sy mpandraharaha mpividy lavanila tany Paris tamin’ny 04 Jolay lasa teo izany. Araka ny fantatra dia hivoaka tsy ho ela ny datin'ny taom-panondranana lavanila ary havoakan'ny Ministeran'ny Varotra ihany koa ny anaran'ireo mpividy ny lavanila malagasy ary hizotra ao anatin’ny mangarahara tanteraka izany izay azo antoka fa mifanojo amin’ny andrasan'ireo mpandraharaha sy mpisehatra matihanina.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT