Actualités

Taom-baovao Malagasy Fomba fa tsy fanompoan-tsampy


  • Zoma 08 Martsa 2013

Fomba fa tsy fanompoan-tsampy ny taom-baovao Malagasy. Ny Trano Kolotoraly Malagasy no niaviany, hetsika ara-kolontsaina iray lehibe anisan’ny maha firenena ny firenena Malagasy ka tsy azo hadinoina na hodian-tsy hita.

 Tokony hatao amim-pomba ofisialy ny fankalazana azy io eto amintsika isan-taona ka hampidirina anatin’ny andro tsy hiasana nefa handraisan-karama, araka ny fanirian’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Amin’ity taona 2013 ity dia etsy amin’ny kianjan’Andohalo no hanamarihana izany ny 11 sy ny 12 martsa ho avy izao. Hosantarina amin’ny vakodrazana sy ny dihy malagasy izany ny folakandron’ny 11 martsa, manomboka amin’ny 2 ora. Arahin’ny fandrehetana ny afo tsy maty manomboka amin’ny 04 ora sy sasany ka hizarana izany amin’ny rehetra izay hitohy amin’ny fanaovana filaharambe mamakivaky ny tanàna miaraka amin’ny môtô sy ny bisikileta entina mitety ny tanànan’Antananarivo.

Tsodrano sy firariantsoa ho an’ny taona vaovao kosa no hisantarana ny hetsika ny talata 12 martsa, harahina vary amin-dronono tondrahan-tantely izay azon’ny rehetra hatao ny mandray anjara amin’izany. Nohavazain’ny Trano Kolotoraly Malagasy moa fa ny atao hoe : taom-baovao Malagasy dia fifamelana, famitranana fihavanana, fidiovana izay miainga eo amin’ny mpivady, ny mpianaka, ny ankohonana ary mipaka hatrany amin’ny firenena. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa ilay taom-baovao Malagasy izay tanterahina eny Anosimanjaka isan-taona dia tsy taom-baovao Malagasy fa fotoana iray natao hahatsiarovana an’i nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana hiarahan’ireo taranany rehetra mifanotrona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT