Tsy hisy ny fisakafoanam-be fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2021 eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha,
hoy ny Fitondram-panjakana. Heverina ho fialana amin’ny fandaniam-be ara-bola sy mariky ny fitsitsiana ataon’ny Fanjakana io, izay azo ambara ho zava-dehibe sy fialana amin’ny fanesoana ny vahoaka efa sahirana, kanefa ny mpitondra mbola handeha hanao fihinanam-be. Na izany aza, tsy ampahafirin’ny fandanindaniam-poana ataon’ny mpitondra izay resaka tsy fanaovana fihinanam-be eny Iavoloha. Raha handray ohatra isika, dia mampiharihary izany io fiezahan’ny Fanjakana manangana rafitra manokana hanompanana sy handefasana tetibola io. Manana ny BNGRC isika, manana ny Minisiteran’ny mponina ohatra isika, saingy manangana rafitra tsy maintsy hamoronana hoenti-manana vaovao amin’ny fiatrehana ny Kere, ohatra. Homena fiara tsy mataho-dàlana maro, homena tetibola manokana,… Ilay departemantam-panjakana tokony hampiandraketina azy efa manana fitaovana sy tetibola azo hahetsika, ary ampiana fotsiny raha ilaina, saingy manangana vaovao. Nisy tompon’andraikitra ambony, toy ny Minisitra eto amintsika nandeha fiaramanidina manokana hanatitra fanampiana na hitsidika toerana iray kanefa ny fandaniana ara-lojistika amin'izany aza mety ho mitombam-bidy ambony noho ny fanampiana nozaraina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.