Actualités

Taolambalon’ny Depiote Giscard Nentina niazo an’i Manakara omaly


  • Talata 23 Aogositra 2022

Nofongarina omaly 22 aogositra 2022 ny taolam-balon’ny Depiote Andriano Giscard, ary nentina niazo an’I Manakara. Ity solombavambahoaka voafidy tany Manakara ity,

izay tsiahiavina fa nodimandry ny 12 aprily 2021, vao teo amin’ny faha-39 taonany monja, ka nalevina teny Bongatsara Atsimondrano. Ny fianakaviamben’ny Antenimieram-Pirenena izay tarihin'ny Filohany Razanamahasoa Christine mivady, niaraka tamin ireo Birao Maharitra no nisolotena ireo Solombavambahoaka rehetra namany, nanome voninahitra ny fianakaviany tamin’ny famongorana sy tamin’ny fotoana fiangany omaly. Nisy ny mari-boninahitra ho azy avy amin ny Filohan'ny Repoblika ho fankasitrahana azy tamin ny asa fanompoana ny Firenena izay natolotra ny vadiny.Olon’ny fanahy Itompokolahy, hoy Ramatoa Filohan’ny Antemierampirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fankaherezana ny fianakaviana, ary isan’ny depiote nananany fanantenana tokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT