Araka ny tatitra mitondra ny lohahevitra “Planète vivante 2022 izay navoakan’ny Sampan-draharaha maneran-tany momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavaboary na ny WWF,
omaly dia nitohy ny fijotsoana ho an’i Madagasikara vokatry ny fahapotehana samihafa. Nihena hatrany amin’ny 69% ny salan’isa amin’ny isan’ny biby misy hazon-damosina voaara-maso teo anelanelan’ny taona 1970 sy 2018 ity, izany hoe : tao anatin’ny 48 taona. Nahatratra 83% kosa izany ho an’ny biby anaty rano. Nihena be ihany koa ny biby izay zava-manan’aina tena mampiavaka indrindra antsika, ka isan’ny lohalaharana amin’izany ny karazan-gidro na ny lémuriens. Isan’ny antony mampihazakazaka ny fahasimban’ny tontolo iainana ny fihazakazahan’ny famotehana ara-tontolo iainana izay miseho amin’ny endriny maro. Endrika famonoan-tena ihany anefa izany, ary iaraha-miaina ankehitriny fahasarotana nateraky ny famotehana mivantana na ankolaka, ka isan’ny endrika iray sy porofo mivaingana ny tsy fahampian-drano satria ripaka ny ala. Ny toetr’andro tsy marin-toerana intsony, ny entona mangeja miha mahery vaika,… Mbola ho zava-doza lavitra noho izao raha tsy miezaka mifehy ny famotehana, ary mila manarina ny nopotehina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.