Actualités

Tantsaha, tandrenivohitra, mpiasam-panjakana,… Mbola hisy maro an’isa hifidy volomboasary ve ?


  • Talata 04 Oktobra 2022

Mihazakazaka ny pi-maso politika ataon’ny Filoha ankehitriny etsy sy eroa. Izay rehetra mety hahazakana vahoaka sy hanaovana serasera dia mety avokoa.

Isan’ireny ny pimaso amin’ny fiangonana, toy ilay fanomezana volabe 38 tapitrisa Ar ho an’ny EKAR Anosivavaka, nisian’ny fanontaniana avy amin-dRtoa Ketakandriana Rafitoson tao amin’ny tambajotra Twetter hoe raha adika teny Malagasy malalaka: “Nanome vola 38 tapitrisa Ar ho an'ny EKAR Anosivavaka ny Filoha. Aiza marina no ahitany volabe tsy toko tsy forohana zarainy isaky ny mihetsika io? Avy amin'ny harenany manokana? Misy misitery eto Madagasikara!”. Marina fa manan-karena, manana ny orinasany, mikarama,… ny filoha, saingy mba mahalasa saina ihany. Volany io dia izay tiany hanaovana azy saingy sao dia lasa maneso ny mahantra sy ny vahoaka amin’ny maha mpitondra firenena azy? Haharesy lahatra ny vahoaka sy ny olon’ny fiangonana ve anefa ireny fihetsika ireny eo anatrehan’ny fomba fitantanana firenena misy ankehitriny? Mbola resy lahatra amin’izao fitondrana izao ve ny maro an’isa na handeha aza ny pi-maso manara-penitra. Ny tantsaha maro an’isa ve resy lahatra amin-dRajoelina amin’ny politika nentiny nitondrana ny firenena. Ny tantsaha nolazaina fa 2 taona vao miakatra ny vary fa aleo manafatra, nolazaina fa hizarana 1 ha isaky ny tanora tany Alaotra ka asa hoe: tanora firy arivo na firy alina no nisitraka izany? Ny mpamboly lavanila nofitahina fa hakarina avo telo heny ny vokatra,... Ny mpiasam-panjakana na ekena aza fa tsy tena tratry ny krizy satria raisiny foana ny karamany amin’ny ankampobeny, mahita sy mahatsapa ny tsy fahaiza-mitantana amin’ny endriny maro samihafa, tsy mahafehy ny toekarena, tsy mahafehy ny sosialy, tsy mahafehy fidangan’ny vidim-piainana. Ny orinasam-panjakaja ihany koa anefa etsy andaniny, maro no mikorosy fahana: FCE, Jirama, SECREN, Air Madagascar,… Ireo “grands corps de l’Etat” toa misy olana hatrany, raha tsy hilaza afatsy ny Fitsarana manao fitakiana, ny Adminisitratera sivily mampaneno lakolosy amin’ny tsindry ataon’ny mpanao politika,… Ny tandrenivohitra indray drokidrokiana amin’ny haingo ambony tsikoko: teleferika, tramway, Miami,… saingy tsy hita ihany izay eo. Ny politikan’ny fampanan’asa tsy misy, ny sehatra nanana tsenan’asa tamin’ny Fanjakana tsy voaloa vola toy ny mpikojakoja làlana hany ka maty sy mitsipozipozy,… Ny sehatra tahaka ny inona izany no mbola resy lahatra amin’ny Fanjakana Rajoelina sy hanome vato ho azy amin’ny 2023 ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT