Nitohy omaly ny hetsiky ny vahoaka tantsaha mpamokatra lavanila tany Sambava omaly. Raikitra ny grevy fanakanan-dàlana tao Andranomifotitra eo anelanelan’i Sambava sy Andapa.
Tezitra noho ny fanararaotana amin’ny vidin’ny lavanila ny vahoaka, ka nanakan-dàlana indray. Nobahanan’ny vahoaka andrin-jiro sy vato misavovona ny árabe, niaraka tamin’ny sora-baventy manao hoe: “Ry Mpitondra hajaina isan’ambaratongany. Tanteraho ny teny izay nolazaina fa mijaly izahay vahoaka. Vidio ny lavanilanay amin’ny 75 000Ar tsy misy trosa na hatak’andro azafady”. Misy mpanagama amin’ny vidin’ny mora ny lavanila, manjaka ny fanararaotana satria misy hatrany amin’ny 20 000Ar no tetehan’ny mpanararaotra hividianana ny lavanila. Mandeha ny "Transbordement" ka Andapa - Andranomifotitra 7 000Ar; Andranomifotitra - Sambava 8 000Ar. Ny vahoaka sahirana tsy manam-bola etsy andaniny, kanefa maty antoka raha hivaro-mora, hany ka io fanehoan-kevitra eny an-dalambe io sisa hevitra hitany. Somary nanaitra ihany koa ny fametrahana ny t-shirt volomboasary misy ny sarin’ny Filoha Rajoelina, izay mifono hafatra mafonja miantefa amin’ny Fanjakana, fa nisy ny fampanantenana goavana tsy tanteraka dia ny fampiakarana avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Efa nitotongana lavitra amin’ny vidiny teo aloha, lavitra be ny vidiny eny ifotony sy ny fanondranana,… kanefa mbola tratry ny fanararaotana manara-penitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.