Actualités

Tantely Andrianarivo Manamafy ny fisintahany amin’ny resaka politika


  • Talata 16 Aogositra 2011

Nitohy tao Fandriana (Amoron’i Mania) ny fitetezam-paritra nataon’i Tantely Andrianarivo.

 Foto-kevitra efatra no nambarany nandritra ny famoriam-bahoaka nanasan’ireo zanaka ampielezan’i Fandriana azy tao Ambatonandriana ny sabotsy 13 agositra, sady andro tsena rahateo. “Mila mazava ny fetra farany tokony hifaranan’ny tetezamita. Ilaina fantarina mazava izay fifidianana hatao mialoha. Mila mahafehy ny fitantanan-draharaham-panjakana sy tokony hijery ny laharampahamehana mandrampaha-tapitry ny tetezamita ny mpitondra. Ny dinika amim-pihavanana eo amin’ny samy Malagay no mahavaha ny krizy”, hoy izy. Mikasika ny resaka fampandrosoana dia nokianiny ny mpitondra ankehitriny, ka nilazany fa “variana amin’ny fitokanana, ka ankilabao ny asa laharampahamehana”. Nohamafisiny tamin’io fa mbola manohy ny fisintahany amin’ny resaka politika ny tenany ka foto-kevitra no ijoroany fa tsy antoko politika. Hitohy any Mananjary sy Tsiroanomandidy ny fitsidiham-paritra hataon’ity Praiminisitra teo aloha ity.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT