Actualités

Tanora Zanaky ny Faritanin’i Toliara “Tsy ara-dalàna ny maha Filoha an’Atoa Jean Michel”


  • Zoma 29 Janoary 2021

Manoloana ny toe-javatra niseho ny sabotsy teo, nifamondron’olona vitsitsy

 

 

nametraka an’Atoa Jean Michel Henri ho Filohan’ny FIZAFATO (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Toliara), dia manao fanambarana izahay, fa tsy mankasitraka ary mitsipaka ny fametrahana azy eo izahay, hoy ireo tanora zanaky ny faritanin’I Toliara tamin’ny alalan’Atoa Kotonirina Gildas Ernest. Nambaran’izy ireo, fa tsy nisy fifidianana, kanefa raha ny sata momba ny fikambanana no arahina dia isaky ny 2 taona ny fifidianana. Mampiatso fivoriam-be no fanao, ary miaraka mametraka daty sy komitim-pifidianana, ka mirotsaka avokoa izay te hirotsaka manam-paniriana hanatsara sy hampandroso ny fikambanana. Ny zava-nisy ny sabotsy teo anefa, araka ny vaovao azon’izy ireo satria mba nisy namana tonga tany ihany, nahatsiaro ho voafitaka nanao tatitra taminay, dia eo amin’ny olona 78 teo no tonga tao, hoy hatrany Atoa Kotonirina Gildas Ernest. Ny taona 2017 anefa, dia 2700 eo ny mpikambana. Manaitra ireo Raiamandreny sy Filoham-boninahitry ny Fikambanana hitsangana mba handamina io zavatra io satria tsy mety ny tsy mandeha amin’ny dingana ara-dalàna. Tsy Atoa Jean Michel no tsy tiana fa ny fomba nametrahana azy teo no tsy ankasitrahanay tanora zanaky ny faritanin’I Toliara, hoy ny fanambarana. Takianay ny hanarahana ny dingana araka ny tokony ho izy. Tsisy fifidianana fa napetraka fotsiny, ary an-tsokosoko, tsy nampahafantarina ny besinimaro, fa olona vitsivitsy no nivorivory tao, hoy ireo tanora zanaky ny Faritanin’I Toliara. Tsara ny mampahatsiahy, fa tamin’ny 2017 no nisy fifidianana farany nahalany an’Atoa Maharante Jean de Dieu, izay voatery nankany ampitan-dranomasina ny desambra 2018 noho ny toe-draharaha teto amin’ny Firenena. Nisy olona 3 napetraka hitantana vonjimaika, ary hanatanteraka ny fifidianana, saingy tsy vita.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

Hijery ny tohiny
FTT