Actualités

Tanora sy fanampiana mpiray tanindrazana Tokantrano sahirana miisa 70 no nomena akanjo sy sakafo mafana


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Ny takarivan’ny omaly dia nisy ny hetsika ho fanampiana ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo notontosain’ny fikambanana Mitsangana ry tanora na MRT.

Araka ny fanazavan’ny filoha lefitr’izy ireo, Durlin Retogniane, dia hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izy ity ho fanampiana ny tsy manan-kialofana manerana an’I Madagasikara. Teto Antananarivo, hoy izy, no nanombohana azy tamin’ny taon-dasa ary mbola tsy diso anjara hatrany ny renivohitry ny nosy miaraka amin’ny ekipan’ny MRT eto an-toerana rehetra. Akanjo sy sakafo mafana no omena ireo vahoaka sahirana anaty tokantrano miisa 70 eo eto Antananarivo. Niaraha-niasa tamin’ireo malala-tanana eto Antananarivo sy ireo namana sy tapaka izany. Ankoatran’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana dia tanjona anatin’ny hetsika koa ny fampandraisana anjara ny tanora anatin’izany fanampiana mpiray tanindrazana izany. Tafiditra anatin’izany ny fampivelarana ny mahaolona na “développement personnel” mba tsy hianona amin’izay fanampiana izay fa hihoitra amin’ny fiainany koa ary hahaleo tena ara-bola satria samy manana ny anjara masoandrony ny tsirairay eto amin’ity tany ity. Isaorana noho izany ireo rehetra nandray anjara hatramin’izay ka hatramin’izao ary hirariana ny hitohizan’ny hetsika hatrany amin’ny faritra manomboka amin’io taona hoavy io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT