Tsy mbola an'asa avokoa ny 70 %-n'ireo tanora nahavita fianarana eto Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakan'ny BIT na Birao iraisam-pirenena momba ny asa.
Misy amin'izy ireo anefa no manana ny maripahaizana Maîtrise sy ny mihoatra noho izany. Antony, tsy mifanaraka amin'ny filan'ny orinasa misy ny fahaizan’ny ankamaroan'ireo tanora eto an-drenivohitra. Eo ihany koa ny tsy fananan'ireo mpianatra nahavita fianarana traikefa fa mionona fotsiny amin'ny teoria be fotsiny, raha araka ny fanazavan'i Tsialonina Prosper (orinasa Kentia). Mba hahafahana manampy azy ireny indrindra ary dia hotanterahina ny 09 sy ny 10 mey ho avy izao etsy anoloan’ny Lapan'ny tanàna Analakely ny Salon de l'Entrepreunariat et de l'Emploi andiany faharoa, karakarain'ity orinasa ity sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. 25.000 any ny isan’ny mpitsidika andrasana. Ny tanjona dia ny mba hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny asa eto an-drenivohitra no sady hampirisihina ihany koa ireo tanora manam-piniavana hamorona asa ho an'ny tenany sy ny manodidina azy. Tsy misy ny vidim-pidirana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.