Maro ireo Ray aman-dreny sy sekoly mametraka fitarainana eny anivon’ny Polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny Anosy amin’izao noho ny hafitsok’ireo tanora sy mpianatra mifoka rongony
eny amin’ny faritra Mahamasina, Amparibe, Ampefiloha sy ny manodidina. Niezaka nanangona ny vaovao rehetra araka izany ny mpitandro ny filaminana ka fantatra fa eny Ambohijatovo no misy lehilahy iray anisan’ny mpamatsy rongony ireo mpianatra manodidina ny Sekoly St Michel, St Famille ary LMA Ampefiloha. Natao ny vela-pandrika ka tratra tao an-tranony ity farany, izao vao 33 taona monja. Rehefa natao ny fisavana ny toeram-ponenany dia mbola nahatratrana fonosan-drongony miisa 26 anaty sachet lehibe ary miisa 6 kosa amin’ny sachet kely. Araka ny fantatra dia hamidiny amin’ny vidiny 10. 000Ar ny fonosana lehibe raha 5.000Ar kosa ny fonosana kely. Milanja 5kilao eo ho eo ireto rongony tratra tany amin’ity lehilahy ity ireto. Noentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny Stup Anosy ity farany nanaovana fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantarana fa avy any Morondava no handraisany ireo rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly ihany koa ny anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.