Mahavariana ny mahita ny toerana maro eto anivon’ny tanŕnan’Antananarivo eto ankehitriny izay miaina ao anatin’ny haizina tanteraka rehefa alina ny andro.
Azo antoka fa mampirisika ny asan-jiolahy hitombo andro amin’alina izany tranga-javatra izany. Ny mahavaka ny sain’ny maro manoloana an’izany dia ny hoe tena tsy misahana ny andraikitra sahaza azy ve ny tompon’andraikitry ny CUA sa ny orinasa JIRAMA no mody fanina noho ny tsy fahampiana mianjady eo aminy hiaraha-mahita ankehitriny. Raha ny marina dia efa samy nilokaloka ny hamaha ity olan’ny fahamaizinana sy fahatapatapahan-jiro lava misy eto an-drenivohitra eto ireo rafitra roa ireo fony izy ireo saingy ny zava-misy hatreto aloha dia maro ny faritra maizina ary mitaintain-dava amin’ny asan-jiolahy noho izany ny mponina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.