Actualités

Tanŕnan’Antananarivo Ho renivohitry ny Kaominina ato amin’ny Faritry ny Ranomasina Indiana


  • Talata 26 Jolay 2016

Hampiantrano ny Fivoriamben’ny AV-COI (Association des Villes et Communes de la Commission de l’Océan Indien) na ny fikambanan’ireo Tanŕna sy Kaominina ao amin’ny Faritry ny Ranomasina Indiana, ny tanŕnan’ Antananarivo amin’ny faran’ny volana novambra sy ny fiandohan’ny volana desambra amin’ity taona 2016 ity.

 

  Ho zary renivohitr’ireo Kaominina ato amin’ny Faritry ny Ranomasina Indiana Antananarivo renivohitra amin’io. Nisongadina izany, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana sy ny mpandrindra ny AV-COI, Rasin Vanier, mandalo eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao. Teto Antananarivo no nananganana voalohany ny AV-COI tamin’ny taona 1990, ka ho ainga vao ho an’ity fikambanana ity ny handraisan’ny Renivohitr’i Madagasikara indray ny fivoriamben’izany fikambanana izany.

Voaresaky ny roa tonta ihany koa ny momba ireo fiaraha-miasa samihafa eo amin’ny sehatry ny vondrom-bahoakam-paritra, ka Antananarivo no ho mpitondra tenin’ireo Tanàna sy Kaominina aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana sy ireo Tanàn-dehibe hafa eto amintsika. Tetikasa iombonana no katsahan’ny AV-COI ho an’ireo Tanàna ao amin’ny COI, izay ahitana an’i Madagasikara, Maurice, Seychelles, La Réunion, Comores ary Mayotte, ary hoentiny hitadiavana famatsiam-bola any amin’ny Vondrona Eoropeanina. Voakasik’izany ny fiarovana ny tontolo iainana, ny angovo azo havaozina, ny momba ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany, izay efa voafaritra tamin’ny COP21 tany Paris. Ny Tanàn-dehibe eto Madagasikara sy Antananarivo manokana dia hijery ireto tetikasa tiany hotanterahina amin’ireo seha-pampandrosoana voatanisa ireo.

 

Jean D.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT