Hahazo trano lehibe iray vaovao ahitana efitra 12 atsy ho atsy ny kaominin’i Tanambe ao amin’ny distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro hatao trano sekoly vavaon’ny lisea any an-toerana.
Mitentina 400 tapitrisa ariary ny hoenti-manana izany trano mijoalajoala izany ka ny LCD na orinasa Lade Company Development tarihan’ny Tale Jeneraliny, Atoa Ndiniarivola, no niantoka ny ampahany matevina tamin’izany. Ny vatokely hanaovana fanorenana sy ny fasika kosa no niantohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity kaominina ity ho anjara birikin’izy ireo hanatanterahana ny tetikasa. Nomarihan’Atoa Ndiniarivola tamin’ny fametrahana ny vatofehizoron’ny fananganana ny fotodrafitrasa fa tsy handalo fotsiny izao fihetsika ataon’izy ireo izao fa hitohy amin’ny Faritra hafa koa ary efa nahatsangana efitrano fianarana niisa 201 manerana ny Faritra 5 amin’ny 22 manerana an’i Madagasikara aza ry zareo ankehitriny. Fantatra fa ho vita ato anatin’ny 7 volana raha tara indrindra ity asa fananganana sekoly any Tanambe ity. Taratry ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana izao tetikasa izao ary handrava ny fivezivezen’ny mpianatry ny lisea any Tanambe mindrana efitrano any amin’ny Ceg lava izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.