Actualités

Tanambe distrikan’Amparafaravola Hahazo Lisea vaovao mitentina 400 tapitrisa ariary


  • Zoma 22 Jolay 2016

Hahazo trano lehibe iray vaovao ahitana efitra 12 aty ho atsy ny kaominin’i Tanambe ao amin’ny distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro hatao trano sekoly vavaon’ny lisea any an-toerana.

 

 Mitentina 400 tapitrisa ariary ny hoenti-manana izany trano mijoalajoala izany ka ny LCD na orinasa Lade Company Development  tarihan’ny Tale Jeneraliny, Atoa Ndiniarivola, no niantoka ny ampahany matevina tamin’izany. Ny vatokely hanaovana fanorenana sy ny fasika kosa no niantohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra  ao amin’ity kaominina ity ho anjara birikin’izy ireo hanatanterahana ny tetikasa. Nomarihan’Atoa Ndiniarivola tamin’ny fametrahana ny vatofehizoron’ny fananganana ny fotodrafitrasa fa tsy handalo fotsiny izao fihetsika ataon’izy ireo izao fa hitohy amin’ny Faritra hafa koa ary efa nahatsangana efitrano fianarana niisa 201 manerana ny Faritra 5 amin’ny 22 manerana an’i Madagasikara aza ry zareo ankehitriny. Fantatra fa ho vita ato anatin’ny 7 volana raha tara indrindra ity asa fananganana sekoly any Tanambe ity. Taratry ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana izao tetikasa izao ary handrava ny fivezivezen’ny mpianatry ny lisea any Tanambe mindrana efitrano any amin’ny Ceg lava izao.

Ntsoavina Evariste


 

 

 

 

 

                                                                                                                                                                                     

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT