Actualités

Tanam-baovao Foulpointe Trano 50 tafo may kilan’ny afo


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Nisehoana haintrano goavana tao Antanambaovao andrefan'i Foulpointe, omaly alarobia 12 oktobra, tokony tamin'ny 09 ora sy sasany maraina.

Naharitra ora telo vao voafehy ny afo. Tsy mbola fantatra mazava ny anton'ny firehetana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Trano 50 tafo kosa no may kila forehitra vokatr’izany ary tsy nisy azo noraisina niampy ireo biby fiompy toy ny akoho amam-borona. Mbola tsy voafaritra kosa ny isan'ireo fianakaviana traboina izay marihina fa efa miparitaka any amin’ny fianakaviany ireo afaka nanao izany. Manoloana ity voina mahatsiravina ity dia miantso ny tompon’andraikitra ara-panjakana isan’ambaratongany sy ireo tsara sitra-po ireo mponina traboina ao Foulpointe mba hifanohana amin’izy ireo. Tsiahivina moa fa trano 258 tafo ihany koa no may kila forehitra tany amin’ny faritra Boeny afak’omaly.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT