Actualités

Tambinkarama amin’ny hofan-trano Hakarina iray hetsy Ariary


  • Talata 24 Aprily 2012

Samy manana tanjona hanatsara ny fari-piainan’ny mpiasam-panjakana avokoa ireo hetsika sendikaly izay nahazo vahana tao anatin’izao tetezamita izao.

 Misy ireo nahazo izay nangatahany toy ny mpitsabo sy ny mpampianatra raha mbola miady mafy kosa ny SEMPAMA sy ny F3M. Raha mitaky ny fampitoviana lenta ny marikaman’ny mpiasa mitovy diplaoma ny F3M dia ny fanondrotana ny tambinkarama anjaran’ny mpampianatra kosa ny an’ny SEMPAMA. Andrasana izay ho valin-tenin’ny ministeran’ny vola momba ireo fitakian’ny mpanabe ireo izay mitotaly 210 miliara Ariary ny vesany amin’ny kitapom-bolam-panjakana mandritra ny taona raha ekena. Nisy moa omaly hariva ny fihaonan’ny Praiminisitra tamin’ny minisitry ny vola sy ny minisitry ny fampianarana momba ireo resaka tambinkarama io izay tsy mbola am-pelatanana ny vokany.

Azo lazaina ho efa an-dalana kosa anefa ny fampiakarana ny tambinkarama amin’ny hofan-trano izay iraisan’ny mpiasam-panjakana rehetra. Ity farany izay tsy misy afa tsy 14.000 Ariary araka ny fanondrotana farany tamin’ny taona 1995. Nanambara ny minisitry ny mpiasam-panjakana ambony fa efa neken’ny minisitry ny tetibola ny fampiakarana azy ho iray hetsy Ariary ary hampidirana ao anatin’ny fanitsiana ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bolam-panjakana izany. Iarahana amin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony kosa ny famolavolana ny fampitoviana ny marikarama izay hatolotra ny governemanta amin’ny volana mey.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT