Actualités

Tambin-karaman’ny mpanisa mpifidy Mijanona ho fampanantenana hatreto


  • Talata 25 Oktobra 2022

Nidina ifotony nanara-maso ny fizotry ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly teo anivon’ny kaominina Ankaraobato ny filohan’ny CENI,

Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny asa fanaraha-maso sy ny fanentanana ireo olompirenena amin’ny maha zo sy adidy ny fidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy, nitafa mivantana tamin’ireo rantsamangaika teny an-toerana ihany koa ny tenany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nandritra izany no nampanantenany ny hijerena manokana ny tambin-karaman’ireo vaomiera ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy na « Commission Locale de Recensement des Electeurs » na CLRE sy ny fanampin-karama na “prime” ho an’ireo mpanisa ny mpifidy na «Agent recenseur» (AR) nahatratra ny tanjona napetraka taminy. Hitohy amin’ireo kaominina eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy moa izao hetsika fidinana ifotony hanaraha-maso ny fizotry ny asa sy hanentanana ny olompirenena ataon’ny CENI izao. Natao izany, hahazoana lisitry ny mpifidy marina, madio ary feno, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mijanona ho fampanantenana, araka izany, hatreto aloha ny resaka tambin-karama ho an’izay mpanisa mpifidy izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT