Ny zoma teo no nozaraina tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana ny tambin-karaman’ireo filoham-pokontany miisa 138 ao Toamasina I sy ny lefiny, izany hoe herinandro katroka taorian’ny fandalovan’ny filoham-pirenena tao Toamasina izay nilazan’ny minisitry ny vola sy fitantanam-bola fa efa nalefany ny anjaran’ny Faritra Atsinanana. Ny volana aogositra, septambra, oktobra, novambra, izany hoe efa-bolana no nozaraina. Midika izany fa mbola eo ny volana desambra 2013 sy ny roa volan’ny taona vaovao tsy mbola noraisina. 30.000Ar isam-bolana ny an’ny filoham-pokontany, 15.000Ar isam-bolana kosa ho an’ny lefitra. Mbola miandry famoaham-bola kosa ny an’ireo filoham-pokontany sy ny lefiny ao Toamasina II, Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Tanambao Manampontsy ary Marolambo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.