Actualités

Tambin-karaman’ny mpitsabo Tsy nitana ny teniny ny minisitra


  • Zoma 06 Mey 2011

Sasa-miandry ny fandraisana ireo tombontsoa maro mifandraika amin’ny asany ireo mpitsabo.

Noho ireny fitokonana mavaivay nataon’ny sendikan’ny mpitsabo tamin’ny volana martsa 2010 ireny dia nilefitra ny praiministra lefitra nisahana ny fahasalamana tamin’izany fotoana, Pr Tehindrazanarivelo Alain ka nanaiky ny hanome sata manokana ny mpitsabo izay mampitovy laharana azy ireo amin’ny administratera sivily. Tao anatin’ny fifanarahan’ny roa tonta ihany koa ny fampiakarana ny tahan’ny tambin-karama vitsivitsy : 4 alina ariary ny “indemnité sujetion”, 6 alina ariary ny tambin-karama momba ny fitaterana, mitentina 1 hetsy ariary avy kosa ny amin’ny hofan-trano sy ny “indemnité d’entretien”. Herintaona mahery aty aoriana dia ilay 4 alina ariary isam-bolana amin’ny “indemnité de sujetion” ihany no mbola raisin’ny mpitsabo raha nanomboka ny volana janoary teo koa vao nihatra ilay sata manokana. Didim-panjakana nivoaka ny 11 aprily 2010 anefa no namaritra ity farany, izany hoe tara valo volana be izao ny fampiharana azy. Tsy vitan’izay fa tsy mahazo “rappel” ireo mpitsabo satria tsy manam-bola ny fanjakana araka ny tatitra nampitain’ny tomponandraikitra ao amin’ny ministeran’ny tetibola ny solontenan’ny sendikan’ny mpitsabo tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo.

Manoloana ny fitarazohan’ny fahazoana ireo tambin-karama kosa dia efa nisy matetika ny fanatonan’ny sendika ny minisitra am-perinasa, ny médecin général Rajaonarison Pascal Jacques. Nanome toky ity farany tamin’ireo fihaonana ireo fa tsy maintsy azon’ireo mpitsabo ny tombontsoany mialoha ny faran’ny volana martsa 2011. Niova ity ny governemanta ary mbola voatazona amin’ny toerany ny tenany saingy ny andraso andraso aloha no ambetin-teny hatreto. Araka ny tsiliam-baovao avy eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana dia efa ela no vonona ny antontan-taratasy momba ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo fa eo anivon’ny fiadidian’ny praiministra no misy ny sakana. Tsy mety mandalo eo anivon’ny Filankevitry ny minisitra mihitsy mantsy ilay antontan-taratasy. Miandry grevy sy gidragidra indray ve ny fanjakana vao hanatanteraka ny andraikiny ?

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT