“Efa nalefa aty aminareo ny vola andoavana ny tambin-karaman’ireo filoham-pokontanin’ny Faritra Atsinanana, koa raha tsy mbola voarain’ny Filoham-pokontany sy ny lefiny izany dia ny Faritra Atsinanana no tsy nizara azy”.
Izay no nambaran’ny minisitry ny tetibola sy ny vola raha nanome fanazavana ny mpanao gazety, mikasika ny tsy mbola nandoavana ny tambin-karaman’ireo filoham-pokontany sy ny lefiny efa hananika ny valo volana izao. Hagagana mantsy ny an’ny minisitry ny tetibola sy ny vola ity raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny “Maison Blanche” ny filoha Rajaonarimampianina Hery fa “hojerena akaiky izany vola tsy voaloa ho an’ny Filoham-pokontany izany”, nandritra ny fandalovany tao Toamasina adiny telo sy sasany ny zoma teo. Raha ny fanazavana azo dia ny volana jolay 2013 no nahazo ny volany farany ireo Filoham-pokontany sy ny lefiny ireo. Efa vonona izany ny vola handoavana ny efa-bolana manaraka dia ny volana jolay, aogositra, septambra ary oktobra. Mbola ankamantatra kosa ny handoavana ny roa volana farany dia ny volana novambra sy desambra taona 2013. Ankoatra izay, re izao fa nanaovan’ny mpanaramaso ny volam-panjakana fisavana sy fanadihadiana ny fampiasam-bola teo anivon’ny Faritra Atsinanana ny herinandro nivalona iny. Izany no natao, hoy ny loharanom-baovao dia mba hidirana amin’ny nambaran’ny filoham-pirenena ao anatin’ny fitantanana mangarahara, fitsitsiana ao anatin’ny fandaniana, fampiasana amin’ny ara-dalàna ny volam-bahoaka, ary ny vola mivoaka dia misy asam-pampandrosoana atao aminy fa tsy holaniana amin’ny hetahetan’ny mpitondra sy ny rantsamangaikany.
Rakoutou
ENCADRE
Nantsoina nefa tsy noraisina ho anisan’ny mpivory tao amin’ny “Maison Blanche” ireo talem-paritra sasany tao Toamasina. Maro no tezitra ka nandeha, tsy vitsy koa anefa ireo nijanona noho ny tahotra ny seza. Ny mpanao gazety koa tratran’izany. Nisy Tangalamena iray torana noho ny hafanana sy fampiandrasana ivelan’ny Lapa ka voatery nentina nody fotsiny na nantsoina aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.