Nametraka fitoriana eny amin’ny Bianco ny Mpisirika asa na ny “inspecteurs de travail”
manoloana ny fanjavonan’ny tambin-karama tsy voaloa tokony ho 4 miliara Ar. Efa voasoratra tamin’ny tetibolam-panjakana anefa io, raha ny nambaran’izy ireo. Nametraka fitoriana izahay, mba ahafantarana hoe nankaiza marina ny tambin-karamanay. Isaorana ny minisitra nanome fiara tsy mataho-dàlana hoenti-miasa, fa ny angatahanay izao dia ny hoe nankaiza ny volanay, mitohy ny grevy. Raha tsiahivina dia horakoraka no nandraisan’izy ireo ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy ny zoma 8 janoary teo, raha nanatitra fiara tsy mataho-dàlana efatra. Tianay ho fantatra hoe iza no sahy nanala ny “ligne de crédit” mikasika ny volanay izay efa voasoratra ara-dalàna. Mahagaga hoe nahoana no tsy sahy nihetsika ny mpitarika ny sendika teo aloha, hoy ireo mpitarika ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.