Tontosa omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fametrahana ny tambajotran’ny
vehivavy Afrikanina mpitarika eto Madagasikara. Tambazotra izay entina ho fanentanana ny vehivavy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro toy ny fandraharahana, ny tontolo politika, ny fahaiza-mitarika, ny ara-tsosialy sns… Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Filohan’ny Antenimierampirena Ramatoa Razanamahasoa Christine. Nandritra ny lahateny nataony dia naneho ny fankasitrahana ny ezaka vitan’ny vehivavy eo amin’ny sehatra rezionaly, nasionaly ary iraisampirenena ny tenany. Ny amin’ny vehivavy malagasy dia nisaorany manokana ihany koa satria mbola maro ireo faritra marisarisa amin’ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra eo amin’ny lafiny politika. Niresaka ihany koa izy mikasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Ary nampahery ny rehetra ny tenany tamin’ny nanambarany fa « ny vehivavy no fitaovana mahomby indrindra amin’ny fampandrosoana ». … Anisan’ireo voatendry hijoro vavolombelona nandritra ny lanonana ny Solombavambahoaka voafidy tao Soavinandriana Rtoa Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa. Nandritra izany no nilazany ny ezaka sy lalan-tsarotra nodiaviny amin’ny maha-vehivavy ny tenany. Ho afaka handray anjara amin’ny fampahaleovana ny vehivavy Afrikanina araka izany ireo vehivavy mpitarika Malagasy. Raha tsiahivina dia niforona tamin’ny taona 2017 tany New York ity tambazotra ity. Miisa 500 eo ny vehivavy afrikanina mpikambana ao anatiny. Tsapan’izy ireo efa ao anatin’ny tambajotra anefa fa tsy mba henoin-teny ny vehivavy raha tsy mahaleo tena sy tafiditra ao anatin’ny sehatra mpanapakevitra na sehatry ny fitantanana na koa mivondrona ao anatin’ny tambajotra lehibe tahaka izao. Mbola hita koa fa mbola tsy tafapetraka mihitsy ny miralenta indrindra raha ny eto Madagasikara. Hiantsehatra ao anatin’ny fiadiana ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra, ny fandrafetana paikady fampandrosoana ho an’ny mponina eto Madagasikara izy ireo sady handray anjara amin’ny fanovana ny kaontinanta afrikanina manontolo koa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.