Actualités

Tambazotrana herinaratr'Antananarivo Hisy ny fananganana foto-drafitrasa goavana


  • Talata 09 Aogositra 2022

Hotanterahina tsy ho ela ilay tetikasa goavambe fanatsarana ny herinaratra eto amin’ny tambazotran’Antananarivo. PAGOSE

no anaran’izy io izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 17 miliara dolara. Raha araka ny fantatra dia distrika 4 no voakasin’izany dia ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Antananarivo renivohitra ary Ambohidratrimo. Hisandrahana amina kaominina miisa 10 kosa ilay tetikasa. Ankoatra ny fananganana foto-drafitrasa goavambe dia hisy ihany koa ny fananganana pylone arahin’ny fametahana tariby mitondra herinaratra mahery vaika. Tsy maintsy hisy ny trano, tanin’olona, tanim-bary ho voakasika noho izany. Mba hahafahan’ny asa mandeha an-tsakany sy an-davany ary dia fantatra fa hanomboka amin’ny Zoma ho avy izao ny fakan-kevitra ho an’ireo mponina voakasika sy lalovan’ny tetikasa. Miantso ireo mety ho voakasika araka izany ny orinasa JIRAMA mba hanatona haingana ny kaominina misy azy hahafahana mamaha ny olana. Vonona moa ny orinasa JIRAMA handoa araka izay lany sy tratra amin’ireo fananan’olona rehetra mety ho voakasik’ity tetikasa ity.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’izy ireo omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT