Tao anatin’ny herinandro teo izao no nahatsikaritra fikorontanana teo anivon’ny tambazotram-pifandraisan-davitra Telma ny ankamaroan’ireo mpanjifa.
Teo ireo nitaraina noho ny fahana voatroka tampoka ao anatin’ny kaontin’ny findainy fa ny tena mampitaraina ny maro ihany koa ankehitriny dia ny mikasika ny resaka aterineto izay midilotra dia midilotra. Hatreto moa raha nanontany ny tomponandraikitra mikasika ny anton’izany rehetra izany ny teto anivon’ny gazety dia mbola miandry ny valiny mahafa-po avy amin’izy ireo mandrak’anio. Mbola tsy fantatra mazava noho izany ny anton’ity fikorontanana ity saingy ireo mpanjifa kosa etsy ankilany efa mametraka fanontaniana mivazivazy zaritenany miharo fahasorenana hoe “numero firy” marina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.