Actualités

Tambajotran-tserasera BIP Hikarakara fampisehoana goavana eny Antsonjombe


  • Zoma 10 Jona 2016

Hikarakara fampisehoana goavana etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny tambajotran-tserasera Bip ny alahady 12 jona ho avy izao.

 

Hiarahana amin’ny tarika  Jerry Marcos, Samoela, Onja Tinondia, Kougar, DJ Natal ary Fou hehy ny hetsika  manomboka amin’ny 1 ora folakandro.  Ho fanombohan’ny BIP amin’ny fanakaikezana hatrany ny mpanjifa  no tanjona sady hizarany  tsiky sy hafaliana amin’ny rehetra ihany koa amin’izao ankatoky ny fetin’ny 26 jona izao. Maimaimpoana avokoa ny fampisehoana fa tsy misy vidim-pidirana. Tsiahivina moa fa  efa mahatratra 11.000 sahady ireo mpanjifan’ny BIP manerana ny Nosy hatreto, hoy Rahantavao Mahefa, tompon’andraikitry ny serasera ao aminy. Anisan’ny tena itiavan’ny olona azy ireo sy hiavahany amin’ny maro ny fisian’ny mangarahara eo amin’ny saran’ny antso sy ny fanampiana ny rehetra amin’ny fikirakirana ny internet 24 ora amin’ny 24 ora. Tsy atahorana ihany koa ny reseau, hoy hatrany izy  fa efa rakotra avokoa manerana ny Nosy mba ho tombontsoan’ny mpanjifa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT