Actualités

Talen’ny tranom-pirim-pirenena teo aloha Nihaona tamin’ny mpamatsy vola sy mpiara-miasa vahiny maro


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nihaona tamin’ny mpamatsy vola vahiny sy firenena matanjaka maro tany ivelany Randriamboavonjy Angelson, talen’ny tranom-pirim-pirenena teo aloha.

Matetika mihitsy izany fihaonana izany izay saika niompana tamin’ny resaka fifidianana, ny famatsiam-bola ny firenena…Raha araka ny loharanom-baovao azo dia anisan’ireo atokisan’ny mpamatsy vola Randriamboavonjy Angelson. Izany indrindra no nanosika azy ireo hihaona tamin’ity farany matetika. Mikasika ny fifidianana no tena niompanan’ny resak’izy ireo izay marihina fa efa manangasanga ihany ho antsika eto Madagasikara. Nodinihin’ny roa tonta ny lesoka tsy nampandeha ny teo aloha hatramin’izay sy ny fomba ho enti-manarina izany. Toraka izany koa ny famatsiam-bola ny firenena ahafahana manarina izao fahantrana lalina izao, indrindra fa ny resaka sosialim-bahoaka. Tsiahivina moa fa Raim-pianakaviana vao 35 taona Randriamboavonjy Angelson. Ankoatra ny diplaoma sy ireo traikefa maro sosona efa hananany dia manana fahaiza-manao manokana momba ny fitantanana ny firenena ihany koa izy, antony mahatonga ireo mpamatsy vola sy firenena matanjaka mihaona matetika aminy.
Pati
Legende : Randriamboavonjy Angelson anisan’ireo atokisan’ny mpamatsy vola
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT