Actualités

Talen’ny DIRAP Toamasina Nahazo ny grady “Inspecteur en Chef”


  • Alarobia 31 Jolay 2013

Notoloran’ny ministeran’ny fitsarana sy ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja malagasy ho eo amin’ny gradin’ny «Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire», grady mitovy lenta amin’ny Jeneraly eo anivon’ny foloalindahy, Atoa Mahatama, talen’ny fandraharahana ny fonja ao Toamasina.

Raha araka ny tantaran’ny fandraharahana ny fonja malagasy araka ny lalana 95.010 mifehy azy ireo, dia tena vitsy sy sarotra ny fahazoana izany grady «Inspecteur en chef» na Jeneraly mpandraharahan’ny fonja izany. Eto amintsika izao dia miisa 8 ireo hany manana izany amin’ireo mbola am-perinasa. Enina ireo efa misotro ronono ary efa maty ny iray. Ny angom-baovao izay nohamafisin’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja malagasy dia dingana maro no hisivanana ny mpiasan’ny fonja mahazo izany grady izany eo anivon’ny CESAP na Filankevitra ambon’ny mpandraharaha ny fonja no manao azy. Atoa Mahatama izany no hany manana io grady Jeneraly io ao amin’ny fari-piadidian’i Toamasina.

Ny taona 1985 no nidirany tamin’ny asan’ny mpandraharaha ny fonja malagasy. Ankoatra izay, dia tsy nisalasala ny Jly Mahatama nilaza fa mandia fotoan-tsarotra ny fitantanana ny fonja, indrindra eo amin’ny famatsiana ny sakafon’ny voafonja noho ny olana ara-bola eo amin’ny fanjakana ka misy fiantraikany amin’ny famatsiana ny sakafo. Na izany aza dia milamina ny fonja ao Toamasina, araka ny nambarany. Ahitana ny fonja goavana ao Toamasina – Vatomandry – Maroantsetra. Eo koa ireo fonja madinika toy ny ao Marolambo – Mahanoro – Vavatenina – Fenoarivo Atsinanana – Soanierana Ivongo – Mananara Avaratra ary Sainte Marie. Misy kosa ny ezaka ho azy ireo amin’ny sakafo, ka izay tsy ampy amin’ny fanjakana dia ampiana amin’ireo fambolena sy fiompiana ataon’ireo voafonja ihany eo anivon’ireo «camps pénaux» ananan’izy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT