Actualités

Tale Jeneralin’ny ONE Nisy nitory eny amin’ny PAC sy BIANCO


  • Talata 12 Aprily 2022

Nitrangana korontana sy fifamaliana teo amin’ny samy mpiasan’ny ONE na ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana ny zoma 08 aprily lasa teo nandritra ny fifanakalozana resaka taorian’ny fahataperan’ny lahadiiky ny fivoriaben’ny sosialy ONE.

 

Antony ny fisian’ny raharaha mahavoarohirohy ny Tale Jeneralin’ny ONE Atoa RAKOTOSON Rija Herinasolo teny amin’ny BIANCO. Atoa RANAIVOSOA Rija Mamitiana Olivier Délégué du personnel no voatonontona ho nitory. Nilaza ampahibemaso ny Tale Jeneraly sy ny mpiasa Rtoa ANDRIANASOLO Mamialisoa, fa io delegen’ny mpiasa io no nitory teny amin’ny BIANCO (Bureau Indépendant ANti COrruption) sy PAC (Pôle Anti-Corruption) mahakasika ilay raharaha fandraisana mpiasa izay nivoaka an-gazety ary nahabe resaka teo anivon’ny ONE. Ny Mpitsara nandray an-tanana ny famotorana (Juge d’instruction) tao amin’ny PAC mihitsy no niteny izany fa ilay Delegen’ny mpiasa no nitoroka, raha ny nambara teo imason’ny mpiasa. Nandà izany anefa ilay Delegen’ny mpiasa ka namoaka fanambarana fa endrikendrika tsy misy porofo (accusation sans preuve) sy fanararaotam-pahefana (abus de pouvoir). Tsy vao izao, hoy izy, no nisy trangana fanararaotam-pahefana miharo tsy fanarahan-dalàna toy izany nandritra izay heritaona mahery naha Tale jeneraly an’Atoa RAKOTOSON Rija Herisolo izay, raha tsy hiteny afatsy ny fikasan’itsy farany handroaka tompon’andraikitra iray amin’ny tsy misy antony (licenciement abusif) ka saika ho nanoloany tsy araka ny lalàna mifehy (RGP) ny toeran’ilay olona ka omena an-dRtoa ANDRIANASOLO Mamialisoa, hoy ny fanamarihana. Dosie fampidirana mpiasa tsy ara-dalàna moa no voalaza fa anton’ity raharaha hanaovan’ny PAC sy Bianco fanadihadiana ity, raha ny loharanom-baovao. Hafa ny nahazo naoty ambony sy vita “entretiens” avy amin’ny komity misahana ny fampidirana mpiasa na “recrutement”, olona hafa napidiriny, tonga tany amin'ny PAC, hoy hatrany ny fanamarihana. Nisy ny firaisankinan’ny mpiasa, ka rehefa novakiana tamin’ny Tale Jeneraly ny fiantsoana (convocation) izay misy lalàna mandrara ny famoahana resaka anaty tsiambaratelon’ny fanadihadiana (secret d'enquête) sy “instructions”, dia niala toy ny tsy teo izy, raha ny fampitam-baovao. Mbola mandeha ny fandihadiana lalina na « enquête au fond ». Asa hanao ahoana ity raharaha ity fa raha ny resaka hafa mandeha dia misy mirehareha ho manana lamosina amin’ny olona ambony vao notendrena ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika?
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT