Voatendry ho tale Jeneraly vonjimaikan’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) indray rtoa Tsaboto Joslina Fridoline, araka ny tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra,
tolo-kevitry ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy, ka nandraisana ny didim-panjakana manendry azy sy nanala ny tale jeneraly teo aloha. Anton’io ny raharaha mahavoarohirohy ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe izay nampidoboka am-ponja vonjimaika noho . Anisan'ny efa nitaky ny fanoloana azy sy ny fametrahana mpitantana vonjimaika azy ka tsy ahafahany miantsoroka ny asa. Tsiahivina fa efa nisahana io andraikitra io vonjimaika ihany nandritra ny volana maromaro i Tsaboto Joslina Fridoline, tamin'ny fotoana nanalana tamin’ny toerany an-dRabekoto Arizaka Raoul hatramin'ny 20 novambra 2019, nanedrena ny tale jeneraly farany teo. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny fitakian’ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPS ny fanesorana ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe mba ho fampiharana ny voalazan’ny lalàna, fa tsy azo tendrena amina andraikitra ambony olona voarohirohy amin’ny kolikoly. Henjana ny tsindrin’ny mpiasa na mbola tsy nisy didy nivoaka, ary nanitrikitrika fa tsy nisy fahadisoan’izy ireo ny famohana ny dosie fa tafiditra anatin’ny tolona aza. Mpiasa 9 no voatory saingy afaka avokoa, raha toa ka mpitantana 5 eo kosa no nidoboka am-ponja, ka isan’izany Tale Jeneraly. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.