Actualités

Talatamaty hiatrika fahavaratra Entanina mba tsy hanary maloto ao anaty tata-drano ny mponina


  • Talata 04 Oktobra 2022

Efa miditra sahady amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpiasan’ny kaominina nitety ireo Fokontany maro samihafa nijerena manokana ireo tata-drano tsentsina hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano. Toraka izany ihany koa ireo tokantrano manary maloto mivantana amin’ireny tata-drano ireny izay marihina fa mandoto ny hafa no sady manimba ny fahasalaman’ny mpiara-belona. Na izany aza mbola fanentanana fotsiny ihany no natao. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic kosa anefa fa raha mbola mitohy ny dihi-dohan’ireo tokantrano sasany dia tsy maintsy hiditra amin’ny fanasaziana ihany izy ireo atsy ho atsy. Hatreto aloha raha araka ny fanazavany hatrany dia saika ahitana ireo tokantrano manary maloto mivantana amin’ny tata-drano avokoa ny Fokontany rehetra. Ho an’ireo Fokontany manakaiky tsena kosa dia ireo karazam-pako toy ny harona sachet plastika….no tena manentsina ireny tata-drano ireny ka tsy maintsy nohamafisina ny fanentanana. Samy nandray ireo mpiasan’ny kaominina tonga nanao fanentanana avokoa moa ny mponina ary samy nampanantena fa hanao ezaka hisorohana ny tondra-drano. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony nahatondraka ny lalana mamakivaky ny farihin’Andranopahana ny fahantsentseman’ireo tata-drano sasany tao anatin’ity kaominina ity.
Pati
Legende : Hentitra ny fisavana ireo tokantrano manary rano maloto amin’ny lalan’ny ranon’orana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT