Actualités

Taksibe namono olona Tsy hilefitra ny minisiteran’ny fitaterana


  • Alarobia 04 Mey 2016

Tsy hilefitra amin’ny sazy nomena ireo fiara fitaterana ao anatin’ny koperativa roa namono olona ny zoma lasa teo ny minisitry ny fitaterana Ramanantsoa Benjamina na dia betsaka aza no nifona sy velon-taraina taminy omaly.

 

Mbola nohamafisiny indray aza fa tsy maintsy mandalo fitsirihana avokoa manomboka izao ny fiara miasa rehetra ao amin’ny kaoperativa FIFIABE sy SOAMIRA na dia simba mbola mipetraka aza ny sasany. Eny amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety eny Nanisana no nanatanterahana izany nanomboka omaly izay natrehiny mihitsy niarahana amin’ny direction regionale de la sécurité routière sy ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly. Tafiditra ao anatin’ny folo andro fe-potoana hanasaziana azy ireo hitsaharana amin’ny asany izany ankoatra ny asa fanamboarana ny fiara tsy maintsy hatao. Ny tale jeneralin’ny ATT Rakotondrazaka Andry no mamoaka ny taratasy hahafahan’ny fiara miasa aorian’izay rehefa vita tanteraka ny asa fanamboarana  tsy maintsy natao  ho fitandroana ny ain’ny mpandeha. Anisan’ny nampitaraina fatratra ireo tompona fiara moa ny halavan’io fe-potoana folo andro io noho ny fahatapahan’ny asa fivelomana sy ny volan’ny banky tsy maintsy aloa saingy tsy nisy ny vahaolana natolotra azy ireo.

Pati

Legende : Tonga teny amin’ny ATT Nanisana mihitsy omaly ny minisitra Ramanantsoa Benjamina, nihaona mivantana tamin’ireo mpamily sy ny tompona fiara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT