Tsy manana alalana hanao asa fitaterana an-tanŕn-dehibe eo anivon’ny Kaominin’i Toamasina ireo taksibe miisa 50 miasa ankehitriny.
Nisy ny fisavana tampoka nataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana azy ireo, herinandro lasa izay, nahitana izao tsy fanarahan-dalàna izao. Raha voatana noho izay tsy fanarahan-dalàna izay anefa ireny fiara ireny dia nidina ny baiko avy any ambony ka voatery navotsotra avokoa na tsy mpanara-dalàna aza, izay ilay tany tan-dalàna tiana hapetraka eto, araka ny tenin’ny filoham-pirenena aminy. Mitaraina noho izany ny Kaominina fa tsy miditra ny hetra nefa terena handoa izany hatramin’izay ireo posy sy posy bisikileta ary ireo kalesa, ireo fiara mpitatitra indray izao no manda ny fandoavana hetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.