Actualités

Takaitra navelan’i Batsirai Tafiakatra 20 ny isan’ireo namoy ny ainy


  • Talata 08 Febroary 2022

Nahatratra 20 ny isan’ ireo olona namoy ny ainy teto amintsika vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Batsirai, raha araka ny tatitry ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC.

 Ny 10 tamin’ireo raha araka ny fantatra dia tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany avokoa ka nisy ireo maty nianjeran’ny hazo raha nisy ihany koa ireo namoy ny ainy nirodanan’ny trano. Tafakatra 55.000 mahery ireo traboina vokatr’izany ka ny 34.409 amin’ireo dia any amin’ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany avokoa. Nahatratra 310 ihany koa ny trano simba, 5.767 ireo dibo-drano raha lalana miisa 19 no tapaka tanteraka tsy azo hifamezivezena . Ho an’ny lalam-pirenena fahafito manokana dia anisan’ny tapaka ny eo amin’ny PK 471+050 izay mampitohy ny distrikan’Ambalavao sy Ihosy vokatry ny fahavakisan’ny arabe. Tapaka ihany koa eny eo amin’ny PK 331+200 mampitohy an’Ambohimahasoa sy Vohiposa…. Andrasana araka izany ny asa fanamboarana hataon’ny Fitondram-panjakana hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina.
Pati
Legende : Nandravarava Batsirai tany Fianarantsoa sy ny manodidina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT