Taitsy Gilbert

> Nitondra tenin’ny any Atsimo


  • Alarobia 02 Oktobra 2013

Mafampana ny any Atsimon’ny Nosy ao anatin’izao fanatanterahana ny fifidianana izao, hoy i Taitsy Gilbert omaly.

Nongotan’ny mponina any Amboasary ny takelaka fametahana afisy ny takarivan’ny alatsinainy 30 septambra araka ny antso an-telefaonina voaray entina hanaporofoana fa tsy vahaolana ny firosoana amin’io fifidianana io. Ilaina aloha ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana ity, hoy i Taitsy, ka rehefa milamina izany vao mitarika amin’ny fifidianana ara-dalàna. Noheverina ho nahavaha olana tany atsimo ilay Dinan’ny mpihary nataon’i Monja Jaona saingy rehefa nandalo an’i Bongolava ny fampiharana azy dia nisy jeneraly tompon’andraikitra nitsipaka, hoy i Taitsy Gilbert. Mba saika hirotsaka hofidiana solombavambahoaka aho, hoy izy, saingy tsy tapa-kevitra noho ny farany rehefa nieritreritra hoe : inona no ho lazaiko amin’ny longoko any Behara sy ny Faritra misy anay rehetra any rehefa manontany ny mikasika ity tsy fandriampahalemana ity ry zareo ? Nambarany koa ny fisiana tambajotra matanjaka amin’ny fanondranana omby any ivelany ka mampirongatra ny halatra omby any atsimo ankehitriny io.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT