Actualités

Tahotry ny hetraketraka Niditra amin’ny « service minimum » ny QMM


  • Zoma 20 Mey 2022

Nanapa-kevitra hampihena ny asany tsy hanao afatsy ireo asa tsy maintsy hatao sy tsy azo hialana na « service minimum» ao amin’ny QMM Taolagnaro ny orinasa Rio Tinto.

Antony ny tsy fananany fitoniana vokatry ny fihetsiky ny andian’olona manana olana amin’ny orinasa. Tafiditra ao anatin’io ny fanasokajian’ireo andian’olona an’ity orinasa ity ho manao fandotoana ara-tontolo iainana indrindra fa ny rano, ka nanomboka ny 25 aprily dia nisy ny hetsika nataona olona manodidina ny 200 eo, mitaky fanonerana amin’ny ambaran’izy ireo fa tsy fahafahana manjonno. Anisan’ny antony ny filazana fa nisy trondro maty nitsingevana vokatry ny loto avoakan’ny orinasa. Tetsy andaniny anefa, naneho io orinasa io, fa tsy misy atahorana ny rano araka ny vokatry ny fitsirihana nataon’ny laboratoara. Tsy nampilamina azy anefa izany, nisy ny andian’olona nanakana arabe, nandrahona ny mpiasa,… ka ny 27 aprily dia mpiasa 700 teo ho eo tao amin’ny QMM no tsy afa-nody, voatery nijanona tao amin’ny orinasa. Nandeha ny fifampidinihana sy fifandaminana tato aoriana, saingy mbola naman’ny nitsefotra matoa tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao ny QMM. Naneho mantsy io orinasa io, fa tsy manana antoka amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpiasany eo anatrehan’ny tsindry sy ny fandrahonana. Ho voafetra tanteraka araka izany ny asa fitrandrahan’ny orinasa. Efa nisy fotoana moa nampikatso ny famatsiana herinaratra an’i Taolagnaro ity orinasa ity noho ny tsy fahampian’ny mpiasa afaka nampiodina ny orinasa vokatry ny sakantsakana nataon’ireo andian’olona. Ahiana hiverina indray io mazava ho azy, ankoatra ny mety ho fiantraikany hafa. Mila mifandamina ny andaniny sy ny ankilany miaraka amin’ny Fanjakana satria sady hanaratsy endrika an’i Madagasikara amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola sy fandraharahana io no mety hampikatso tanteraka ny orinasa izay mety manana anjara toerana ara-toekarena. Mila fampianarana ihany koa ny lalàna mikasika ireo fitrandrahana goavana na « grandes mines » satria matetika toa misy fampihinana am-bolony ny vahoaka ihany. Tsy sanatria miaro ireo orinasa goavana fa isan’ny alentika ao an-tsain’ny olona, ohatra, ny hoe : 1% fotsiny ve no miditra amin’ny Fanjakana. Misy karazan-ketra maro, tamberina samihafa, famoronan’asa mivantana sy ankolaka an’aliny,… Raha misy ny lesoka, afaka manatsara ny lalàna ny Fanjakana. Ny hita taratra hatrizay anefa, toa misy ambadika politika no betsaka. Afaka ny hamorona asa an’aliny vetivety ve isika raha misintaka ireny ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT