Actualités

Tahirimbolam-panjakana Marary


  • Alatsinainy 04 Martsa 2013

Mampanahy ny fanambarana nataon’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Raobimanana Orlando ny sabotsy lasa teo nilaza fa mahatratra 67 miliara Ariary isam-bolana ny fatiantoky ny Tahirimbolam-panjakana.

 Ny atao hoe fatiantoka eto dia vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana kanefa tsy niditra, noho ny antony maro samihafa. Araka ny fanazavana ihany dia very vola hatrany amin’ny 640 tapitrisa dolara na 1.280 miliara Ariary ny fanjakana Malagasy hatramin’ny nanombohan’ny krizy tamin’ny 2009. Efa nanaitra ny mpitondra sy ny olon-drehetra izahay saingy toa tsy mbola nisy taitra ny amin’ity zava-doza ity, hoy ingahy Tale jeneraly. Mahagaga ihany ny zavatra tahaka izao satria ny filohan’ny tetezamita dia tsy mitsahatra ny mamerimberina fa manao politikan’ny fitsitsiana isika, hentitra ny fanaraha-maso ny volam-panjakana na ny miditra io na ny mivoaka. 

Ka nahoana ary no misy vola am-polony miliara tokony hiditra isam-bolana tsy miditra ? Raha toa ka miditra ara-dalàna ny vola ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana dia tsy nampaneno lakolosy fanairana tahaka izao ny tompon’andraikitra, fa matoa izy miteny mivantana sady mahitsy dia ao raha. Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe : inona ary ny fepetra horaisin’ny fitondrana tetezamita manoloana ny fanambarana nataon’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana iny, izay inoana fa marina sy mitombina satria teknisianina sady mpiasam-panjakana ambony no niresaka fa tsy mpanao politika. Tompon’andraikitra mivantana amin’ity raharaha ity koa ny ministeran’ny vola sy ny tetibola, eo koa mazava ho azy ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita, izay heverina fa tokony ho efa mahafantatra io zavatra io hatry ny ela.

Rariny sy hitsiny raha sokafana ny fanadihadiana satria raha vola 67 miliara Ariary izany no tsy tafiditra anaty kitapom-bolam-panjakana isam-bolana dia raharaha ihany, satria ny vola mivoaka misy isan’andro amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana, mbola eo koa ireo tetikasa goavana fanorenana hopitaly sy trano ary kianja manarapenitra etsy sy eroa. Ny famatsiam-bola avy any ivelany anefa tsy misy. Ny nanaitra ihany koa tamin’ny fanambarana nataon’ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana dia ny hoe : tsy ilay 100 tapitrisa dolara avy amin’ny orinasa sinoa Wisco izany no hanatanterahana ireo tetikasa goavana nambaran’ny filohan’ny tetezamita, koa raha izay no raisina dia misy mandainga izany satria nodradradradraina teto fa vola tamin’ny orinasa Wisco no nenti-nanana ireny fotodrafitrasa fampanantenan’i Andry Rajoelina ireny. Inoana fa mbola hisy fanampim-baovao sy fanazavana misimisy kokoa momba ity Tahirimbolam-panjakana ity satria ho lasa resaka hiteraka adihevitra mafana izy ity, raha ny fahitana azy izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT