Araka ny vaovao nivoaka teto amin’ny gazety «Tia Tanindrazana» ny zoma 27 septambra 2013 izay nilaza fa nisy fanodinkodinam-bola roa arivo tapitrisa Ariary (2 miliara MGA) tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana tao Toamasina dia manao izao fanamarihana izao ny Foibem-pitondran’ny Tahirimbolam-panjakana.
Tsy nisy fanodinkodinam-bola ary tsy nisy volam-bahoaka very na dia ariary aza na tao amin’ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana tao Toamasina na tany amin’ny birao hafa manerana ny nosy. Fikasan’olon-dratsy ivelan’ny Tahirimbolam-panjakana haka vola tany amin’ny banky iray tao Toamasina amin’ny alalan’ny taratasim-bola sandoka toy izay efa nitranga teto Antananarivo tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara tamin’ny volana mey lasa teo no nisy saika hamerina indray. Noho ny fiaraha-miasa matotra izay efa nipetraka teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Tahirimbolam-panjakana hatramin’ny volana febroary 2012 dia nandamoka ihany koa izany teti-dratsy izany ary tra-tehaka ireo olon-dratsy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny raharaha ary taorian’ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia efa voasambotra ary nalefa eny am-ponja ireo olona voarohirohy tamin’izany. Marihina fa efa nivoaka tamin’ny gazety «TAHIRY» navoakan’ny Tahirimbolam-panjakana tamin’ity volana septambra ity ny vaovao mahakasika io raharaha io (jereo TAHIRY laharana 35 pejy 7).
Ny Foibem-pitondrana sy ny mpiara-miasa rehetra
ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.