Actualités

Tahirim-bolam-panjakana Banga 2.000 tapitrisa Ariary noho ny krizy


  • Alarobia 23 Mey 2012

Vola be tsy toko tsy forohana no votsotra noho ny krizy lavareny eto amintsika. Mahatratra iray tapitrisa dolara izany hoe 2.000 tapitrisa Ariary no vola tokony hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana nefa very fotsiny tao anatin’izany telo taona sy tapany izay.

Mihena ny fidiran-hetra eto an-toerana ankoatra ny tsy fisian’ny fanampiana avy any ivelany, hoy Robimanana Orlando, Tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana raha nanazava io fahabangana mihoapampana io. Na izany aza dia mbola voaloa hatrany ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fisotroan-dronono ary ny filàna andavanandro eo anivon’ny raharaham-panjakana raha ny fanazavany hatrany. Misy fiatraikany amin’ny fiainam-pirenena anefa io hakelin’ny vola ampelatanana io satria ireo fandaniana tena ilain’ny vahoaka izany hoe tena misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro no atao laharampahamehana ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bolam-panjakana raha nahena araka izay azo atao kosa ny fampiasam-bola. Nambaran-dRobimanana Orlando fa “tsy maintsy nisy ny fanitsiana ny fampiasana ny tetibola amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana satria raha samy nanana ny drafitrasany sy ny tetibola atokany hanatontosany izany ny ministera tsirairay teo aloha dia narindra ireny vinavina tetikasa ireny ka izay tena misy fiantraikany amin’ny vahoaka sisa no tanterahina”.

Ny fanetsehana ny tsenam-bola anatiny amin’ny alalan’ny findramam-bola amin’ny olon-tsotra na BTA no tetikady ampiasain’ny tahirim-bolam-panjakana hamerana ny fisondrotry ny vidim-piainana. Tsy mihevitra ny hanota vola na koa hanao findramam-bola hafa (financement parallèle) kosa anefa ity sampandraharaha ity satria vola maloto mazana no atobak’ireo mpampindram-bola tsy miankina ireny ary amin’ny firenena mandalo krizy mihitsy no fanaovany izany. Marihina fa feno 50 taona amin’ity 2012 ity ny tahirim-bolam-panjakana Malagasy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT