Actualités

Tahiana Razanamahefa “Tokony ho hita amin’ny sehatra maro ny vehivavy”


  • Talata 05 Janoary 2021

Ilaina amin’izao vanim-potoana izao amin’ny zavatra rehetra atao ny fanaovana serasera,

 

 

 

 hoy ny mpandraharaha misehatra ao anatin’izany, Tahiana Razanamahefa. Nianatra teo amin’ny sehatry ny lalàna sy serasera ary efa mpanao gazety ny tena. Nisy fotoana koa moa nianatra sy niaina tany ivelany nandritry ny 15 taona teo ary nahatsapa nony niverina an-tanindrazana, 4 taona lasa izay, fa misy anjara biriky tokony entina ho fampandrosoana ny firenena eo amin’izay sehatra misy ny tena izay. Nanangana orinasa kely tsotsotra eo amin’ilay resaka serasera avy eo. Nisy moa ny fahafahana niara-niasa tamin’ireo orinasa efa lehibe eto an-toerana koa. Tsy mora ho an’ny vehivavy ny mandraharaha eto Madagasikara kanefa rehefa tena misedra ilay sehatra ka mivaly izay tadiavina dia misy fahafaham-po hafa mihitsy. Tsy mila manaiky lembenana. Saika lehilahy izao matetika eo amin’ny sehatra misy ahy no manana andraikitra hahafahana manapa-kevitra nefa izaho resy lahatra fa manana vina alavitra ny vehivavy. Afaka mifanampy ary mahavita zavatra lavitra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana anefa ny vehivavy. Ny tenako dia isan’ny mivoy ny atao hoe miralenta satria tsapako hoe tokony efa mitovy ny resaka fandraisana ny lehilahy sy vehivavy na eo amin’ny sehatry ny asa na tokantrano na fitaizana amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, hoy hatrany ny tenany. Madagasikara moa izao mbola fiarahamonina entin-dehilahy hatrany saingy efa iarahantsika mahita ankehitriny fa samy mandray anjara ny rehetra rehefa betsaka ny vehivavy miditra eo amin’ny sehatry ny asa ary betsaka koa ireo vehivavy manana diplaoma sy nandia fianarana ary tokony hanana sehatra maro eo anivon’ny firenena, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT