Lanonana tsotra nefa manan-danja no tontosa tao amin’ny CEMESS Soanierana ny alakamisy 10 aprily 2014 lasa teo.
Lanonana izay nentina namoahana amin’ny fomba ofisialy ireo manamboninahitra miisa 94 niofana tao amin’ny ivontoerana fanamaintisamolalin’ny manamboninahitra ho an’ny Tafika Malagasy. Fiofanana telo samihafa no norantovin’ireo manamboninahitra ireto . Ny voalohany dia ny fiofanan’ireo manamboninahitra lefitra nitondra ny galona “Adjudant chef” teo aloha ka nahazo ny laharam-boninahitra “Sous –Lieutenant”. Miisa 44 izy ireo, Tao koa ireo manamboninahitra nianatra tany amin’ny sekolin’ny manamboninahitra tany ivelany izay miisa 05. Ny faharoa dia ny fiofanana fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo manamboninahitra vao nivoaka avy tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny taona lasa ahitana ireo andiany mivantana izay miisa 26 sy ireo andiany manampahaizana manokana toy ny dokotera …miisa 15.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.