Actualités

Tafiditry ny gidragidra ny fanaovan-gazety Hifandrotehana ny fanendrena solontena ao amin’ny CENI


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Mihalalina ny lonilony eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Iny nandeha iny ihany ny fifidianana izay ho Filohan’ny Holafitra (OJM),

 izay tao anatin’ny tsy fitovian-kevitra lalina. Milaza moa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa 64,21% ny taham-pandraisana anjara manerana ny Nosy tamin’ity fifidianana ity. Marihinina fa 1509 ny tao anatin’ny lisi-pifidianana, saingy nandeha ny tsikera samihafa nataon’ny “cellule de crise”, fa tsy misy fangaraharana, ary misy tsy mpanao gazety aza nampidirina tao anatiny. Ho an’ny teto Antananarivo manokana, izay be mpanao gazety indrindra, dia efa maro no tsy nanoratra anarana tao anatin’ilay ambara fa lisitry ny mpanao gazety matihanina. Rehefa nandeha ihany koa ny fifidianana, dia 659 ny voasoratra anarana, 300 no tonga nifidy, izany hoe 45,52% ny taham-pandraisana anjara, 225 (75%) ny vato manan-kery azon’ny kandida tokana Monica Rasoloarison, vato fotsy 67 (22,33%), vato maty 8. Efa vita ny fifidianana, izay ambara fa nahalany ny kandida tokana. Adihevitra kosa ny fahamarinan-toerana (stabilité) sy ny maha ara-drariny sy ny lanjan’io Filohan’ny OJM (légitimité) eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Hitondra fihombonana sy firaisan-kiana sa ho vatolampin’ny fisaraham-bazana? Ny “Cellule de crise” etsy an-daniny, dia manamafy ny fisiana tsy fanarahan-dalàna amin’ny endriny maro, ary nanamafy ny fananganana rafitra mahaleotena. Mandeha ny feo ankehitriny, fa tsy homena karatra maha mpanao gazety matihanina avy amin’ny OJM izay mpanao gazety tsy nifidy sy nanao vato maty sy vato fotsy. Fa ny tena ho raharaha, dia ny momba ny fanendrena izay ho solontenan’ny mpanao gazety ao anatin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI). Marihina fa niantefa tamin’ny Biraon’ny OJM voafidy farany talohan’ny fifidianana niteraka adihevitra teo no nandefasan’ny CENI ny taratasy momba ny fanolorana olona io, ka Atoa Marc Antoine, mpanao gazetin’ny Vondron’orinasa MaTV no voalaza fa natolotry ny OJM tarihin’ny Filohany Atoa Gérard Rakotonirina. Mandeha kosa ny toromarika etsy ankilany, fa asaina manolotra anarana mialohan’ny 27 oktobra ny OJM vao lany tarihin’ny Filohany Monica Rasoloarison. Anarana roa izany no hifampitady any amin’ny CENI ? Tendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny mpikambana rehefa feno, izay mety ho tombony ho any amin’ny ambara fa kandidam-panjakana. Hitondra filaminana sy fitoniana ve anefa izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT