Nampahafantarin’ny minisitra Tabera Randriamanantsoa tanatin’ny filankevitry ny governemanta farany fa handraisana fepetra koa ireo teratany frantsay eto Madagasikara manomboka izao ho setrin’ny ataon’ny Masoivoho frantsay eto amintsika amin’ny resaka tsy fanomezana (visa) ny Malagasy maro.
Nanapa-kevitra aho, hoy izy, fa tsy hosoniavina ny antontan-taratasy fangatahana alalana hiasa eto Madagasikara ataon’ireo Frantsay tonga any aminy. Mety hosintonina koa aza raha ilaina ny an’ireo efa nomena alalana, hoy ihany ity minisitra ity, izany hoe hotsongolohina tanteraka ny momba azy ireo. Fanamarihana mivantana ny fiandrianam-pirenena malagasy izany, hoy izy, sady ireo Frantsay nomena alalana ireo koa tsy nisy nanao ny asa nanaovany fangatahana akory ny ankabeazany. Nisy niandany avy hatrany tamin’ny hevitry ny minisitra Tabera ireo minisitra namany anaty governemanta maromaro. Tsy mbola nazava kosa ny hevitry ny Praiminisitra Omer Beriziky nikoropaka nandamina ireto olom-peheziny ka nilaza fa mbola hangataka fanazavana any amin’ny Masoivoho frantsay aloha. Mahagaga, hoy ny minisitra Tabera, fa ny Frantsay no maimay amin’ny fanapahan-kevitra fanasaziana nefa ny GIC-M aza tsy namoaka ny fehinkeviny akory.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.