Sylvester Stallone

> Niova fo


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Mpilalao sarimihetsika tsy zoviana amin’ny maro i Sylvester Stallone, mpilalao fototra tamin’ny “Rambo” sy “Rocky”. Niova ny lehilahy ankehitriny satria lasa mpanaradia an’i Kristy.

Raha ny marina dia fiverenana andoharano no ataony satria notezaina tamin’ny finoana kristiana izy fony fahazazany. Nandritra ny resadresaka nataony tamin’ny orinasan-tserasera amerikana iray no nanambarany io fiovam-pony io. “Lian-drà avokoa ny horonantsary nolalaoviko fahiny. Rehefa semban-drahona ny fiainan-tokatranoko dia voasarika tamin’ireo hadalan’ny Hollywood aho. Diso lalana aho”, hoy izy. Nilaza koa izy fa “ny fiangonana no nanabe azy. Niova tanteraka koa ny lalana tiany hizorana ankehitriny satria ny manentana ny olona rehetra hanaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany no tarigetrany vaovao. «Toerana fanaovana fanatanjahatenan’ny fanahy ny fiangonana amiko izay manome torohevitra sy torolalana momba ny fiainana», araka ny teniny hatrany. Namoaka torolalana niarahany namolavola tamin’ny Motive Divertissement i Sylvester Stallone. Mirakitra hafatra ho an’ny pasitera sy mpitondra fiangonana izay miresaka ny lohahevitry ny finoana, fahitsiana, ny fahasahiana, ny fandresena … io torolalana io.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT