Actualités

Sushil Koirala Mpitondra mahantra indrindra


  • Talata 08 Aprily 2014

Nanomboka tamin’ny 2012 dia ny filohan’i Uruguay, José Mujica, no notondroina ho filoha mahantra indrindra manerantany.

 Mipetraka any amin’ny «ferme» izy ary coccinelle no mba fiarany. Fantatra anefa izao fa mbola mahantra lavitra noho izy ny praiminisitr’i Nepal (mitovy amin’ny filoha) Atoa Sushil Koirala, voatendry tamin’ny febroary 2014 teo. Zanaka mpanankarena izy saingy nanda ny lova be natokana ho azy. Finday telo no hany mba fananany, ka iPhone ny iray, ny iray tsy mandeha akory. Raha nitsidika tany Birmania Atoa Sushil Koirala farany teo dia nisy 1.516.800 Ariary (670 dollars) ny ambim-bola nivahinianany tany, ary dia naveriny amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Asa mba rahoviana no hisy mpitondra hanao toy izany eto Madagasikara ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT