Tontosa omaly teny amin’ny fasan-drazany teny Manandriana Avaradrano ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’ny namana sady zokibe mpanao gazety Razafimandimby Jean Claude na i Stéphane Jacob amin’ny fahafantarana azy tany amin’ny asa sorany.
Fianakaviana sy namana, olom-pantatra ary mpiara-miasa maro eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety no tonga nanotrona azy niainga teny an-trano fonenany fahavelony nandalo tao amin’ny fiangonana Ekar Mpanjakan’Iarivo Ankadivato nanatanterahana ny Sorona Masina ho fialan-tsasatry ny fanahiny ka hatreny Manandriana nametrahana azy ao am-pasan-drazany. Nisintonan’ny Pretra nitarika ny fotoana tao Ankadivato ho vatsim-panahy sy ho fampiononana ny fianakaviana ny teny nofinidin’izy ireo natao tamin’ny taratasy filazana manjo hoe «Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho» II Timoty 4-7, ka nilazany fa manaova asa soa dieny mbola ety an-tany fa nahavita izany tamin’ny asa-soratra nataony Razafimandimby Jean Claude. Olona tsotra nefa hentitra amin’ny asa atao nefa tena be vazivazy ihany koa i Stéphane Jacob, hoy i Anny Andrianaivonirina nisolotena an’ireo mpiara-miasa marobe, ka aminay dia «tsy veloma no atao aminy fa mandra-pihaona». Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana izahay ato amin’ny Tia Tanindrazana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.