Actualités

STAR Tour teny amin’ny Coliseum Fahombiazana tanteraka, nofaranana tamin’ny asa fanadiovana


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay hetsika Star Tour nokarakarain’ny orinasa Star nentina nampiala voly ny vahoakan’Antananarivo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe nandritra ny 5 andro.

Nifarana ny sabotsy hariva teo izany izay nanasana ny mpanao gazety sy ny fianakaviany. Tsy voahisa intsony ireo olona tonga nanohana sy namaly ny antson’ny orinasa Star raha araka ny fantatra. Tsy nisy vidim-pidirana rahateo ny hetsika natao teny an-toerana no sady narahina fizarana loka sy kilalao ho an’ireo nandray anjara tamin’ireo karazana hetsika maro samihafa. Tanjon’ny orinasa Star moa ny hanomezana fahafaham-po ireo vahoaka manerana ny faritra lalovany isaky ny misy hetsika tahaka izao. Raha mahazo izany hatrany ny ao Antsirabe dia entina hitety faritra maro ny hetsika mba tsy ho tompon-trano mihono ny rehetra. Tsiahivina moa fa mpanankato mihoatra ny 15 isa no tonga nanafana ny lanonana teny an-toerana nandritra io 5 andro io, hetsika izay irian’ny mponin’Antananarivo ny hitohizany hatrany, indrindra fa rehefa fetin’ny Asaramanitra tahaka izao. Toy ny fanaony moa dia tsy nanao ambanin-javatra ny fanadiovana ny toerana avy hanaovany lanonana tahaka izao ny orinasa Star. Mian-dahy miam-bavy ireo naira-nanadio ny teny amin’ny Coliseum tamin’ny faran’ny herinandro teo ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fanajana ny mpiara-belona.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT