Rava ny fihavanana Malagasy. Tsy noho ny resaka politika ihany no ahitana taratra izany fa ny fisian’ny goragora sy ny fitsaram-bahoaka izay mihamahazo vahana hatrany. Eo anatrehan’izany dia mitsangana ny fikambanana Stand Up Tana 101 izay miantso amin’ny fiovan’ny toetsaina. Ny toetsaina mihitsy mantsy no fototry ny olana aminy. Nilaza Ranaivonjaka Heritiana, mpandrindra ny mpikambana fa tsy tokony hisy intsony ny andraso andraso fa mila mandray andraikitra tandrify avy hatrany ny olom-pirenena tsirairay raha mahita zavatra tsy mety. “Ndao hijoro, hitambatra ary hanova” rahateo no tarigetra imatimatesan’ny fikambanana Stand Up Tana 101.
“Fanairana aloha no atao izao fa hitatra amin’ny fanabeazana ho olom-banona izany ao aoriana kely ao”, hoy hatrany ny mpandrindra ny fikambanana. Rehefa samy tonga saina ny olom-pirenena dia hanjary ny fiarahamonina. Tsy tokony ho maika handrava ny fitondram-panjakana ny vahoaka fa hikaro-bahaolana raha misy ny maharary azy. Tsy mionona amin’ny fanentanana anefa ry zareo fa tena amin’ny alalan’ny asa ny fanovana tiany hatao. Efa nisy, ohatra, ny fizarana dabam-pako teny amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.