Actualités

Speed Auto Tolotra vaovao


  • Alarobia 06 Jolay 2011

Efa an-taonany no niasan’ny Service Speed teto amintsika. Fantatra amin’ny alalan’ny fiantsenana ireo entana ilaina amin’ny andavanandro sy ny famarotana ny tapakilan’ilay fampisehoana goavana hataon’i James Blunt atsy Afrika Atsimo ny Service Speed.

 Fantaro àry fa misy tolotra vaovao hafa indray omeny. Efa azo vidiana amin’ny alalan’ny Speed ihany koa manko izao ireo kojakojam-piarakodia tsy fahita eto amintsika. Afaka manafatra na mampanamboatra kojakojam-piarakodia any ivelany ny Speed Auto, arakarak’izay filan’ireo mpanjifa. Rehefa manao komandy ny mpanjifa dia mahazo faktiora proforma mifanaraka amin’izay tadiavina. Herinandro monja aorian’ny fandefasana ilay komandy dia azon’ilay mpanjifa ny entany. Miara-miasa akaiky amin’ireo mpamongady lehibe any ivelany ny Speed Auto, araka ny fanazavana.

Amin’izao fotoana izao dia anisan’ireo piesy azo raisina avy hatrany ny kojakoja ho an’ny fiara marika BMW toy ny calculateur, injecteur, débitmètre, turbo, train avant sy arrière, na piesy vaovao na efa niasa. Araka ny fanazavana dia amin’ny vidiny mirary miohatra amin’ireo hita eny an-tsena ny vidin’entana amin’ny Speed Auto. Raha toa ka mihoatra tsy araka ny tokony ho izy ny lanjan’entana na ny habeny dia ilay mpanjifa no miantoka ny saran’ny fadintseranana, araka ny fanazavana ihany. Ireo izay liana na mila fanazavana fanampiny moa dia afaka miantso ny 033 37 300 54, 033 15 300 99, 032 76 790 73, 034 05 031 45 na koa mangataka fanazavana amin’ny www.facebook.com/ course speed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT